♦ Hiatrika ny fivoriambe ara-potoana fanaony ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara anio sy rahampitso... ♦ Nanomboka nandinika ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2023 androany tolak'andro ny vaomiera manokana misahana izany teny amin'ny antenimieram-pirenena, taorian'ny fanolorana sy fanazavana mikasika azy io, nataon'ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Misy ny atrik'asa hiarahan'ny Madagasikara sy ny ONU, hamaritana ny drafitr'asa iadiana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana nokelary, biolojika ary simika...
23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.
Ny Sakramenta : maro no hevitra fonosiny indrindra ny misterin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny fampianarana mifandraika aminy. Avy amin'ny teny latinina hoe " sacramentum" izy io, midika hoe fandraisana an-tanana na raha amin'ny teny frantsay izy dia hoe " engagement". Ny teny grika dia mandika azy hoe "mysterion" midika hoe mistery. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco