Sabotsy 19 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40
♦ Mitaky ny hametrahana ny filankevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina, ny vondron'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Lasa 300 tapitrisa Dolara ny vola hanampian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny fanarenana ny orinasa Jirama... ♦ Ny fahazoana loharanom-bola enti-mihetsika sy ny lalam-barotra matetika, no mbola sakana lehibe ho an'ireo te handraharaha eto Madagasikara...
Nankahery ny tanora hanaraka ny dia'i Masina Maria ny Papa François, mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Tanora, ankalazaina amin'ny fetin'i Kristy Mpanjaka. "Niainga i Maria ka nandeha faingana" ( Lk 1,39), io no lohahevitry ny hafatra izay fanasana ny tanora, mba hitondra an'i Jesoa ho an'ny hafa, ka hitsinjo ny namana, amin'ny fanorenana fiaraha-monin'ny mpiray tampo, hanatanteraka ny nofy hiaina ao anatin'ny fiadanana. Fanolorana ny hafatry ny Ray masina ho an'ny tanora miaraka amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary
♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco