♦ Tombanana 4,9% ny tahan'ny fiakaran'ny harin-karena faobe amin'ny herintaona. Ampelan-tanan'ny solombavambahoaka avokoa moa ankehitriny ny rijan-teny rehetra momba ny volavolan-dalàna mifehy ny fintantanam-bolam-panjakàna 2023... ♦ Natomboka tao Ankaramena any amin'ny Faritra Anosy ny fizaràna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha mpamokatra. Fepetra ampiharin'ny fitondram-panjakàna hanampiana ny tantsaha hamokatra sakafo misimisy kokoa... ♦ Tokony hatao mialohan'ny fifidianana ny dinika hisorohana ny tsy fitovain-kevitra amin'ny fanantanerahana ny fifidianana ho ny firaisamonim-pirenena. Izy ireo izay miatrika ny seminera havoria eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely...
17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.
Mba hizorana amin'ny lalam-baovao takian'ny Evanjely dia tsy maintsy miezaka isika, na ny isam-batanolona na isam-pianakaviana mba hiaina ny fahantrana hatoron'ny Vaovao Mahafaly. Io fahantrana io dia mifototra indrindra amin'ny hoe tsy miankina amin'ny zavatry ny tany, fa mametraka tanteraka ny fahatokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Alakamisy 17 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco