♦ Niova ny fijerin'ny MCC sy ny tompon'andraikitra amerikana, ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Raha tao anatin"ny "Zone rouge" isika nandritra ny taona maro dia tafiditra anatin'ny "Zone verte" ankehitriny... ♦ Ho sasa-poana ireo minia manakorontana eto amin'ny firenena, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany...

♦ Ny talata 10 janoary 2023 no handraisan’ny diosezin'Ambanja an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao Andrevorevo - Anahidrano... ♦ Mihemotra ny fanakalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny Ambohipo sy ny Fivorian’ny FFVA Disoezin’Antananarivo... ♦ Namaly ny antson’ny Papa François mba hanakalazana ny Noely hahatsiarovana ny vahoaka Okreniana ny Aomôneria apôstôlika iandraiketan’ny Kardinaly Konrad Krajewski...

Manana ny anjara toerany amin'ny sehatry ny fiompiana akoho sy famokarana atody eto amintsika ny Kaominina Ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza atao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Mivoaka ao amin'ity Kaominina ity avokoa ny 30% hatramin'ny 40% ny atody jifaina eto Madagasikara. Atody 200.000 hatramin'ny 300.000 isan'andro no mivoaka ao amin'ny Kaominina.

♦ Miasa ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo, na dia tsy mety ho tafavoaka eny Tsimbazaa aza ireo antontan-taratasy hanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha, voasaringotra amin'ny fandikan-dalana... ♦ Hampahafantarina ireo mpitondra ankehitriny sy ny ray aman-dreny ara-panahy ary ireo vondronda iraisam-pirenena, ny fehin-kevitra tamin'ilay fikaonandoham-pirenena nokarakarain'ny HIFFIM... ♦ Velon-taraina ireo mpamboly sy mpisehatra amin'ny lavanila any Antalaha fa tsy misy mpividy ny lavanila masaka ankehitriny...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...