Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tafapetraka omaly hariva eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian. Solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia izany. Miantso ny fitoaniana ho an'ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain'ny mpisehatra pôlitika ny filan-kevitry ny Ministra hanavotra an'i Madagasikara... ♦ Nahery vaika ny fanoheran'ny mpianatry ny ENS, ny mpitandro filaminana tonga nandamina ny toe-draharaha teny Ampefiloha. Nivoaka ny faritry ny toeram-pianarana, ireo mpitokona omaly maraina... ♦ Maherin'ny 100 tapitrisa Dôlara ny trosan'ny Air Madagasikara ka tsy maintsy atao izay hanavotana ity kaompaniam-pitanterana nasiônaly ity, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
08 desambra — Teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia efa talohan'ny Kônsily tany Nicée ireo Mpampianatry ny Fiangonana no nanaja an'i Masina Maria, ary niantso azy hoe Virjiny Masina sy hoe Eva Vaovao.
Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco