28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.

Ireo fepetra hanampy antsika hahalala fa avy amin'Andriamanitra ny fanahy manosika antsika : Fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalalana onona. Mikatsaka hatrany ny fiombonana ao amin'ny Fiangonana. Manaiky an'i Kristy amim-pinoana sy amim-pitiavana ary mampiely ny fiandrianany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 28 ôktôbra 2022 — Masindahy Simon sy Jude, Apôstôly — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

♦ Nihaona tamin'ny Papa François androany, ireo Evekan'i Madagasikara, izay manatanteraka ny Visite Ad Limina any Rôma. Nandray ireo Malagasy monina sy mianatra any an-toerana ihany koa ny Papa, avy eo... ♦ Mbola misy faritra maro no tsy naharay ny karne fanisana mpifidy, iray volana tao aorian'ny nanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ May ny ampahany amin'ny Tsenan'Anosibe alina. Trano fivarotana 102 no levon'ny afo tamin'izany. An-tapritrisany maro ny faty antok'ireo mpivarotra nanana entana may tao, raha ny fitarainan'izy ireo, androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...