♦ Nankalaza ny andro eran-tany ho azy ireo ny mpampianatra sy ny mpanabe teto Madagasikara. Maro ireo hetsika nanamarihana izany... ♦ Miantso ny governemanta hampiasa vola ho an'ny mpampianatra sy ny mpanabe ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fanabeazana na ny CONAMEPT. Antso nataon'izy ireo nandritra ny fankalazana ny andro natokana ho an'ny mpanabe omaly... ♦ Hanomboka anio ny fitokonana kasain'ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Tsy ampihemotra azy ireo ny baiko mitaky hiasa avoakan'ny ministera misahana azy ireo...

06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.

Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...