18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

Tsy ampy hanarahana an'Andriamanitra ny fitandremana ny didiny, fa tsy maintsy mahafoy izay rehetra hananana koa isika hahavanona izay fanarahana azy izay. Satria ny lalam-baovao no  takin'ny Evanjely dia mazava ny lalana fa ny fiandahana amin'ny harena mandalo, izay tsy ahitàna fahasambarana afa-tsy eto an-tany ihany.  Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Zoma 18 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48

♦ Nitatitra ny asa vitany tamin'ny taon-dasa ny Bianco Antananarivo. Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'izy ireo, ary vola 16 miliara Ariary no tsy maintsy nogiazana... ♦ Nanazava ny momba ilay fidangan'ny hetran-trano alainy, izay niteraka resabe, androany ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Kaominina Antananarivo... ♦ Nisy pôlisy voatonotonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy mpanara-maso ny hetra, teny Imerinksainina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...