♦ Nampikatso ny raharaha eny anivon'ny fitsarana, noho ny fitokonany androany, ireo mpiraki-draharaha manerana ny nosy. Niveri-maina ireo manan-draharaha, naverina am-ponja ireo voafonja tokony hotsaraina, ho an'ny teny amin'ny Fitsarana Anosy... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any atsimon'ny nosy. Ahiana ho mafy noho ny hatramin'izay ny zava-misy, efa vidiana 3000 Ar ny rano iray bidon, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambovombe Androy... ♦ Olona 5 no maty, 13 naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo anelanelan'Irondro sy Manakara androany vao maraimbe...
♦ Hampody an'ireo malagasy mpianatra miisa 30 nahavita fianarana tany ivelany ny Fanjakàna malagasy. Hiantoka ny saran-dalan'izy ireo mody eto Madagasikara ny Fanjakàna... ♦ Hizara zezika ho an'ny malagasy tantsaha ny Fanjakàna. 4 miliara Ariary no natokana hividianana izany zezika izany hiatrehana ny taom-pambolena... ♦ Mila hatsaraina ny volavolam-pehezan-dalana voavao momba ny harena an-kibon'ny tany vao tokony haroso hodinihan'ny antenimiera mpanao lalàna hoy ny Filohan'ny Kômity iraisam-paritry ny harena an-kibon'ny tany na ny CIRM Atsimo-Andrefana Jean Désiré Marcelin... ♦ Nanao andrana tifitra balafomanga indray ny Kôreana tavaratra androany maraina...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco