Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

♦ Nanakoako manerana ny nosy androany, ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpampianatra... ♦ Tsy ho vita ao anatin'ny telo volana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa fohy loatra ny fe-potoana hanoratana ny anaran'ny olona maherin'ny 14 tapitrisa ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay fitokonana fampikatsoana ny raharaham-pitsarana rahampitso, ny Sendikan'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara. Mandrangaranga "recquisition", ety ankilany, ny minisitra mba hanohizan'izy ireo ny asany...

♦ Tsy mbola midina ny vidin-tsolika eto Madagasikara, na efa nahitana fihenany aza ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Lasibatry ny afo ny 90% amin'ny faritra faémbolen-kazo ao Marohogo any amin'ny Faritra Boeny, Firehetana nitranga tamin'ny alahady teo ka nahamay, tao anatin'ny fotoana fohy an'ireo hazo novolena tamin'ny velaran-tany 160 Ha... ♦ Hampitombo ny voka-bary ho an'ny tantsaha eny Antananarivo-Atsimondrano ny fahavitan'ilay toho-drano lehibe eny Ampahitrosy. Afaka manondraka tanimbary maherin'ny 1.400 Ha eny Ampahitrosy sy ny kaominina manodidina...

♦ Tsy marina ny filazana fa marisarisa ny fiaraha-miasa eo amin'ny LaFrantsa sy Madagasikara. Mizotra tsara izany, araka ny fihaonana teo amin'ny masoivoho Frantsay vaovao eto amintsika sy ny ministry ny Fiarovam-pirenena, omaly... ♦ Vola 2,16 tapitrisa dôlara no homen'ny governemanta Britanika, hanohanana olona hatrany amin'ny 100.000 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ka ny PAM no hitantana izany... ♦ Nomena lanja manokana ny ankizy "varira", anatin'ny dinika fanomanana ny fivoriana an-tampony faha-27 momba ny fiovan'ny toe-trandro na ny PRE-COP 27, izay atao any amin'i RDC. Any an-toerana ny ministry ny tontolo iainana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...