Talata 4 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42
Manao tantsoroka amin'ny fanohanana ara-tsakafo an'ireo mponina ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny mpiray ombon'antoka amin'i Madagasikara, isan'izany ny governanta britanika. Nanolotra fanampiana 2 tapitrisa Livres Sterling, manodidina ny 2,16 tapitrisa dôlara ho an'i Madagasika hotantanan'ny fandaharan'asa eran-tany momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hanohanana ara-tsakafo ny mponina any atsimo.
♦ Tafapetraka androany teo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana, ny taratasy fampahafantarana amin'ny hirosoan'ny sendikan'ny mpirakidraharaham-pitsarana ao anatin'ny fitokonana, afaka telo andro. Nisy ny pi-maso nataon'ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fitsarana azy ireo androany... ♦ Tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanombohan'ny fanisana mpifidy, izay sahanin'ireo olona noraisin'ny CENI, hoy ny fikambana KMF CNOE... ♦ Mpanofa trano avokoa ny 50%-n'ireo Malagasy monina an-tanandehibe eto Madagasikara...
♦ Efa nivoaka ho boky ny angon-kevitra natao nandritra ny fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka, hatao amin'ny taona 2023, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Notokanana omaly ny Seminera Zokiny misy ny Filôzôfia, iraisan'ny Arsidiôsezy Atsinanana, ka ao Analamalotra ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina no misy azy... ♦ Nôvisy roa ambin'ny folo mirahalahy no niroso nanao ny voady voalohany ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Karma...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco