♦ Nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualteri, Solontenan'ny Papa teto Madagasikara ny Fivondronamben'ny Eveka. Handao tsy ho ela an'i Madagasikara izy ary voatendry hiasa any Pérou indray... ♦ Nisokatra omaly tany Mahajanga  ny Zaikabe faha-21 ho an'ny FKTLM na ny Firaisan'ny Kristiana Tanora Loteriana Malagasy. Nanantrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoham-pirenena mivady... ♦ Feno 31 taona androany ny diaben'ny fahafahana niainga teny Analakely nihazo  ny lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Fifandonana any Gaza, palestina 3 no maty omaly vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika israeliana tao Naplouse ao Cisjordanie...

10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.

Rariny sy hitsiny ny Papa Fransoa sy ireo Papa maro nifandimby teo alohany raha hiresaka ny fampianarana momba ny fianakaviana satria ity farany dia rafitra ifotony hanabeazana sy hiofanana. Ny asa fivelomana dia mampiavaka ny olombelona, izay ilaina amin'izao andro sarotra izao. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alarobia 10 aogositra 2022 — Masindahy Laurent, diakra martiry — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...