07 aogositra — Teraka tao Vicence ny 1480 i Gaëtan. Compte tao Thiène ny rainy ary Gaspard no anarany, Maria Porto kosa no anaran’ny reniny. Tia vavaka tokoa io reniny io ka raha mbola tany ambohoka i Gaëtan dia efa natolony eo ambany fiahian’i Masina Maria.
Raha vao miresaka ny "aina" dia ireto ny fanontaniana tonga ao an-tsaina : Avy aiza ny aina? Inona no famaritana ny hoe "aina"?. Mifototra amin'ireo fanontaniana ireo ny hahatsapana ny hasarobidin'ny aina, indrindra ny ain'olombelona ka mampiavaka azy amin'ny zava-manan'aina hafa rehetra. Ny "aina" dia tsy mbola nisy nahavita na iza na iza afa-tsy Andriamanitra irery ihany. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alahady 7 aogositra 2022 — Alahady fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 32-48
Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco