Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny "lahy no lohan'ny vavy" ; tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglizy. Izany no midika fa i Kristy no mitarika sy mitondra ny Eglizy amin'ny lalam-pahendrena sy fahamasinana lavorary, ary novelominy tamin'ny alalan'ny Sakramenta fito izay natsangany. Toy izany koa ny anjara toeran'ny lahilahy raim-pinakaviana ao an-tokantrano : Mitarika, mitondra, mamelona. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Sabotsy 17 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15
♦ Vola 1,4 tapitrisa dolara no hanohanan'ny BAD ny orinasa madinika sy salantsalany eto Madagasikara, amin'ilay fandaharan'asa SME BLP... ♦ Tsy handray anjara amin'ilay hetsika fanaovana Kopia Faobe hisitrahana Kara-panondrom-pirenena Faobe, ny sendikan'ny mpiraki-draharaha, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana izay nataony androany... ♦ Tsy marina ny filazana fa mitohy miakatra hatrany ny vidin'ny entana ilaina andavanandro eto amintsika. Mpanararaotra, raha mbola misy mampakatra ny vidin'ny PPN...
♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco