Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.
Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...
♦ Hisorondrotra 100 Ariary mitaha amin'ny teo aloha ny saran'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo manomboka anio. Izay no tapaka tamin'ny fihaonan'ny mpitatitra sy ny filoha teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra omaly, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Nisondrotra nanomboka omaly ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly miainga eto Antananarivo. Misy ireo efa tafakatra 140 000 Ariary, taorian'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika, omaly... ♦ Miantso ny fitondràna hanao ezaka hisian'ny fandriam-pahalemana eto amintsika ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Handositra an-drenivohitra avokoa ny tantsaha, hoy izy, raha manao hatsirambina isika...
12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco