♦ "Mitsangàna fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao", Lohahevitra hifantohan'ny JMJ Mada andiany faha-10, hanomboka anio any Antsirabe... ♦ Azo lazaina ho efa milamina amin'ny ankapobeny ny any Ikongo, nidina tany an-toerana omaly ny Praiministra Ntsay Christian sy ny ministra maromaro, nanatanteraka ny fampihavanana sy nametraka ny fitoniana... ♦ Natomboka omaly teny Alarobia ary hitohy androany ny atrikasa fampahafantarana ny drafitrasa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ho an'ny faritanin'Antananarivo...
31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.
31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.
Ny fanabeazana amin'ny sekoly katolika dia manana anjara toerana famolavolana ho amin'ny antson'Andrimanitra. Araka ny voalazan'ny Konsily : ny mpampianatra sy ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana dia aoka hiezaka hanampy ny zatovo, hamantatra ny fiantsoan'Andriamanitra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco