♦ Saika nibahan-toerana tamin'ny fanontaniana sy fitarainana nataon'ireo solombavambahoaka nandritra ny fihaonana tamin'ireo ministra mpikamban'ny governemanta, teny amin'ny CCI Ivato, omaly, ny amin'ireo olana sedrain'ny vahoaka mivantana... ♦ Nosokajian'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ho fitaovana mahomby amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanabeazana ny mahaolona manontolo ny radio Don Bosco, tao anatin'ny 25 taona nijoroany... ♦ Mpiasa mendrika sy nahavita be, teo amin'ny asa nosahaniny miisa 19 mianadahy teo amin'ny radio sy ny tranobe Don Bosco eto Ivato no notolorana mari-boninahitra tamin'ny alatsinainy 27 jona, sady famaranana ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny onjam-peo...

Manana adidy ny olom-pirenena ka isan'ireny ny fijorona ho olon'afaka izany hoe miara-miasa amin'ny saina mahitsy. Ny olom-pirenena dia afaka mifanoro ary mifananatra araka ny hitsiny sy ny marina. Adidy miandry ny olom-pirenena ny fanalavirana ny fanararaotam-pahefana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Ny mikasika ny fahefam-pitondram-panjakàna dia tokony hanome lanja ny zo fototra mahaolona ny olombelona, manasongadina ny fahamarinana. Ny fahefam-pitondrana ihany koa dia tokony hiantoka ny zo ara-politika izay omena araka ny takian'ny soa iombonana : ho an'ny olombelona sy ny firenena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...