Zoma 3 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19
♦ Tranga fakana tovovavy roa farafahakeliny no nisy teto Antananarivo tato anatin'ny herinandro. Nisy iray hafa koa niseho androany. Nanao fanambarana ny Polisim-pirenena, manoloana izao tranga izao... ♦ Tsy manaiky ny hanaovan antsojay ny namany, ny Sendikàn'ny mpiraki-draharaham-pitsarana. Mangataka fanadihadiana izy ireo, manoloana ny raharaha mampifanolana mpiraki-draharaha sy mpitsara iray any Toliara... ♦ Mpianatra hanala fanadinana CEPE maherin'ny 8.000 ao an-drenivohitra no hisitraka Koba Aina sy Ferrozinc isan'andro, manomboka androany. Natomboka teny amin'ny EPP Antanimena ny fizarana izany...
♦ Hafindra ao Tampoketsa distrika Ankazobe ny fitaovam-piadiana sy ny fitoerany ao amin'ny RAL teo aloha ao Imerintsiatosika. Ny fitaovam-piadiana goavana hafindra ao Arivon'Imamo, noho ny tetik'asa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro... ♦ Nisafidy ny Faritra Analanjirofo sy Androy hatao filamatra tsy hisian'ny fametrahana diky ankalamanjana ny fitondram-panjakana. Madiva ho fongotra ny fanaovana maloto ankalamanjana ho an'ny Faritra Androy. Kaominina 54 amin'ny 58 no efa niala tamin'izany... ♦ Vonona hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ny tantsaha mpiompy. Mitaky tohana ahafahan'izy ireo misitraka karazan'omby afaka manome ronono 20 litatra mahery ny mpiompy ao Ambohijafy...
♦ Baolina kitra, mitarika amin'ny isa telo ao amin'ny vondrona misy an'i Madagasikara i Ghana sy Angola. Resin'ny Black Star tamin'ny isa 3 noho 0, alina ny Barean'i Madagasikara... ♦ Tsy mitsahatra mandroso hevitra hisian'ny fifampidinihina manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny CFM. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoanan'ny Filan-kevitra Fampihavanana Malagasy... ♦ Hiroso amin'ny famadihana ny volamena voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanana ny lanjany amin'ny lanjam-bola malagasy ny Fanjakàna. Any Suisse no hanadiovana ny volamena iray taona mahery... ♦ Homarihana amin'ny lanonana goavana hanomboka anio hatramin'ny alahady izay ny faha-70 taona nitantanan'ny Mpanjaka Elisabeth-II...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco