Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa... Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
♦ Niroso tamin'ny fitetezana efitrano sy ny fanidiana izany androany ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo. Mandrahona ny hihetsika ihany koa ireo mpianatra, ao aorian'ny fe-potoana telo andro izay nomeny... ♦ Mbola misy ireo orinasa mpikojakoja lalana manana trosa amin'ny fanjakana. Miankina amin'ny toromariky ny Fiadidiana ny Repoblika no ahafahan'ny Tahirim-bolam-panjakana mandoa izany, hoy izy ireo androany... ♦ Mangataka ny hampiharana antsakany sy andavany ny lalana mifehy azy ireo, mba hisian'ny fifaninana malalaka, ny sendikan'ny Mpandrefy Tany Mpahay tsy miankina...
♦ Tontosa omaly, tao Mangarano II, Diôsezin'i Toamasina ny fitokanana ny fiangonana EKAR Don Bosco sy ny Sekoly Dominique Savio, tantanan'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Ny 27 hatramin'ny 29 mey 2022 teo ny fanohanana ny Seminera, ho an'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco