Talata 24 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5b-11
♦ Misy Fakiolte iray tsy manaraka ny fitokonana fanairana nambaran'ny SECES Sampana Antananarivo. Nifarana androany ny hateloana nanaovana izany ka hitohy amin'ny fihaonana amin'ny minisitera mpiahy indray ny hetsika, rahampitso... ♦ Notsipahanan'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitakian'ny orinasa SMDG haba amin'ny tsena ao an-drenivohitra... ♦ Rava maina ny andro voalohany tamin'ny tsenan'ny lavanila maitso tany Nosy Be. Hentitra kosa ny Governoran'ny Faritra Diana, nilaza fa tsy maintsy hajaina ny vidin'ny lavanila farany ambany 75.000 Ariary...
♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22 hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...
♦ Miverina tsikelikely ny sidina ho an'ny zotra anatiny sy iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara taorian'ny fotoana nisokafan'ny sisin-tany... ♦ Hoampiasaina amin'ny fandoavana ny vola fisotroan-dronono sy ny karaman'ny mpiasam-panjakana ny karatra e-poketra. Ny mpiasan'ny paositra Malagasy no hisantatra izany ny volana jona izao... ♦ Nandalovan'ny andiam-balala ny tao Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy nefa ny voly simba noho ny fandraisan'andraikitry ny tantsaha niaro ny famboleny... ♦ Nandray ny andraikitra maha praiministra vaovao azy any Autralia androany Andriamatoa Anthony Albanese. Nihazo avy hatrany an'i Japon izy taorian'ny lanonana fihanianana nataony...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco