♦ Naverina hitantana ny ekipam-pirenena Barea indray i Nicolas Dupuis. Mijanona ho mpanohana voalohany ny Barea kosa i Eric Rabesandratana... ♦ Ilaina ny famerana ny fandaniam-bola ampiasain'ny Kandidà amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny Safidy, mba hisorohana amin'ny fifanarahana miafina eo amin'ireo kandidà sy ny mpisehatra hafa, avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany... ♦ Hisy ny fanambarana lehibe ho ataon'ireo vovonana sy sendikan'ny mpiasa malagasy rahampitso mandritra ny fanamarihana ny fetin'ny asa... ♦ Raikitra ny fidinana an-dalambe any Mexique hanoherana ny famonoan'olona izay efa maherin'ny 30.000 isan-taona...
♦ Mirona any amin'ny fampiakaran'ny sehatra tsy miankina, ny karama farany ambany ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Mbola andrasana ny tohin'ny dinika teo aminy sy ny sehatra tsy miankina... ♦ Nahazo fahafahana nody saingy napetraka eo ambany fanarahamason'ny fitsarana ireo mpanolontsaina monisipaly roa ao Antananarivo renivohitra, taorian'ny ny fiakarany fampanoavana omaly... ♦ Mbola tsy mitombin-tsaina amin'ny fanatanterahany ny asany ny veterinera. Nisy veterinera iray indray voaantso eny amin'ny zandarimaria Andoharanofotsy taorian'ny fampidirana am-ponja ny naman'izy ireo tany Morondava... ♦ Notanan'ny miaramila Russe ny mpilatsaka an-tsitrapo britanika roa izay nigadona tany Ukraine...
Ny vokatry ny fahotana dia ny fahaverezan'ny maha olona ny olona, ary ankoatra izay dia mety havita zavatra tsy azo sainina. Marihana fa ny fahotan'ny tsirairay dia tonga ho fahotan'ny fiaraha-monina rehefa mihitatra sy mitambatra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 30 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 16-21
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco