♦ Anatin'ny Herinandro Masina, hafitoana mialoha ny fankalazana ny Paka isika. Nanomboka omaly, Alahadin'ny Sampankazo hatramin'ny Sabotsy Masina alina izany... ♦ Hiara-misalahy amin'ny fisorohana ny loza isan-karazany ny Pôlisy sy ny Zandary amin'ny fetin'ny Paka. Hanomboka anio ny fidinan'izy ireo an-kianja ka tsy hifarana raha tsy ny ampitson'ny Paka... ♦ Hiova ny paikady entin'ny ZDS, fari-piarovana sy fandriam-pahalemana, hiadiana amin'ny asan-dahalo. Nozaraina ho faritra telo ny ZDS Ikopa...

♦ Hotanterahana ny alarobia 13 aprily 2022 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena ny "Messe chrismale" eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nosantarin'ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao amin'ny Distrika Antanambao ny Herinandro Masina... ♦ Mivahiny any Kiev mandritra ity herinandro ity ny Aomônie Apôstôlika, Kardinaly Krajewski...

♦ Nahasarika mpanao politika maro ilay fampiofanana sy fiomanam-panahy noho ny fankalazàna ny Paka nokarakaraina ho azy ireo ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mitarika hetsika eny Ankatso-II ireo mpianatra avy any amin'ny  Grand-Sud nanomboka ny maraina teo... ♦ Nihena ny isan'ireo olona voamarina fa tratran'ny Coronavirus saingy nitombo indray ny Faritra nahitàna tranga vaovao raha oharina tamin'ny tatitra teo aloha... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny any Philippines amin'ny alatsinainy 9 mey izao...

♦ Hihatra anio ary hitohy rahampitso ny Oniversite maty ho an'ireo anjerimanontolo sy ny foibem-pikarohana nasionaly manerana ny nosy... ♦ Navotsotry ny mpitandro filaminana ny filohan'ny FTAR izay nosamborina noho ny fitarihana hetsika an-dalambe ny sabotsy lasa teo... ♦ Nahavita ny fiofanana andiany voalohany ho fanatsarana ny kalitaon'ny onjam-peo ny mpiasa rehetra eto amin'ny RDB sy ny birao teknika saleziana... ♦ Hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena frantsay i Emmenuel Macron sy Marine Le Pen...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...