♦ Tafahoatra ny fihetsika fanakànana atao amin'ny mpanohitra hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nanao fandaharana "miara-manonja manokana" moa ny mpitarika ny mpanohitra omaly tolak'andro, manoloana ny toe-draharaha politika tato ho ato... ♦ Nandresy lahatra ireo mpianatra hiatoan'ny fampianarana teny Ankatso omaly ny SECES. Nanome 72 ora manomboka anio hitadiavam-bahaolana ihany koa ny fikambanan'ny mpianatra, manoloana ny zava-misy eny amin'ny anjerimanontolo... ♦ Mitaky fifaninana malalaka ny sendikan'ny mpandrefy tany mpahay avy amin'ny tsy miankina na ny SYGEP. Niatrika fivoriambe teny Antaninarenina izy ireo, omaly...

Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa...  Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy.  Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

♦ Niroso tamin'ny fitetezana efitrano sy ny fanidiana izany androany ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo. Mandrahona ny hihetsika ihany koa ireo mpianatra, ao aorian'ny fe-potoana telo andro izay nomeny... ♦ Mbola misy ireo orinasa mpikojakoja lalana manana trosa amin'ny fanjakana. Miankina amin'ny toromariky ny Fiadidiana ny Repoblika no ahafahan'ny Tahirim-bolam-panjakana mandoa izany, hoy izy ireo androany... ♦ Mangataka ny hampiharana antsakany sy andavany ny lalana mifehy azy ireo, mba hisian'ny fifaninana malalaka, ny sendikan'ny Mpandrefy Tany Mpahay tsy miankina...

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...