Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny izao mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra (Gal6, 9-10a). Ny karemy izay fotoana fihavaozana ho an'ny tsirairay dia mitantana antsika ho any amin'ny Pakan'i Jesoa Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Alahady 6 marsa 2022 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 1-13

Misy fizarana sivy ny faritry ny kibo, ka samy hafa, araka izay faritra ahatsapana fanaintainana ny aretina mety mahazo ny olona iray. Ny fizarana sivy : mizara telo amin'ny tsanganana, avy eo ambany nono hatreo amin'ny valahana, ary mizara telo ihany koa ny avy amin'ny lafiny avia miankavanana ; somary lehibe kokoa ny faritra afovoany rehetra manandrify ny foitra. Ny fanaintainana amin'ny faritry ny kibo dia tsy aretina fa soritr'aretina. Ny karazan'ny fanaintainana : manindrona, mavesatra, manotika, miolana...

♦ Tafatsangana ny antoko politika MODEL tarihin'Andriamatoa Paraina Auguste izay handray anjara feno amin'ny fifidianana eto amin'ny firenena... ♦ Nisy andininy vitsivitsy nolavin'ny HCC, tao anatin'ny tolo-dalana momba ny fizakantenan'ny Oniversite sy ny toeram-pampianarana Ambony. Hhivory handinika izany ny sendika Seces... ♦ Hanampy ireo mpandraharaha hanarina ny toe-karem-pirenena ny Agence Première Ligne... ♦ Nampiato ny asan'ireo mpanao gazetiny miasa any Rosia ny BBC ho fiarovana ny ain'izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...