♦ Niditra an-tsehatra nitondra fanazavàna tamin'ny tambajotra serasera ny SYNAD, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny lehiben'ny distrika, nanoloana ireo hetsika ara-politika roa samy hafa tany Soavinandriana, izay niteraka resa-be... ♦ Nitombo 2,26% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana, araka ny fampitam-baovaon'ny CENI. Niampy 500.829 ny isan'ireo mpifidy vaovao, taorian'ny fanavaozana isan-taona, izay nifarana tanteraka ny 15 mey teo... ♦ Ahiana tsy hihatra araka ny tokony ho izy ny vidin'ny lavanila farany ambany izay nofaritan'ny fanjakana, hoy ireo mpisehatra ny lavanila any Nosy-Be. Mitaraina izy ireo manoloana ny olana misy...

Endrika isehoan'ny fahafahan'ny olombelona ny fananana manokana. Ny nolavin'ny finoana kristianina hatramin'izay dia ny zo hanan-javatra manokana tsy misy fepetra ary tsy azo tohinina. Ny fananana  manokana dia fitaovana enti-milaza fa natao ho an'ny daholobe ny harena eran-tany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 17 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a

♦ Nitondra fanazavana androany ny sendikan'ny Administrateurs Civils na ny SYNAD, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny solontenam-panjakana tany amin'ny distrikan'i Soavinandriana, mifandraika amin'ireo hetsika nokasain'ny antoko pôlitika natao tany an-toerana... ♦ Mbola mitaintaina amin'ny vidin'ny lavanila ireo mpamboly any Nosy Be, na dia efa hisokatra tsy ho ela aza ny tsenan'ny lavanila... ♦ Hamolavola tolo-dalana hanamafisana ny sazin'ireo mpanolana sy mpanao herisetra ny Solombavam-bahoaka Massy Goulamalie...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...