♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny fanehoan-kevitry ny Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy, manoloana ny tsikera nataon'ny minisitra iray taminy... ♦ Tafapetraka soa aman-tsara eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny taratsy fanambaram-pananana nataon'ny Minisitra Vina Marie Orléa.. ♦ Olona 1100 kosa no misitraka ny herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina avy amin'ny rian-drano any Ankafotra, Faritra Itasy...
Tompon'andraikitra isika rehetra amin'ny fandaminana sy fahazoana fifidianana tsara rindra. Amin'ny alalan'ny fametrahana soatoavina mira fahamarinana no hitondra fahitsiana bebe kokoa ho an'ny fifidianana sy ny demokrasia. Ny fahitsian'ny fifidianana no hanampy anatin'ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ary hitondra antsika rehetra ho amin'ny tena fampandrosoana maharitra.
♦ Nitaky ny hanaovana fivoriana mikaton-trano handinihana ny raharaha anatin'ny Antenimieram-pirenena sy ny raharaham-pirenena ny Solombavam-bahoaka tsy miankina sy ny mpanohitra. Na dia maro an'isa aza, tsy nahatratra ny fetr'isa ilaina izy ireo... ♦ Tanora 50 mianadahy nahavita fandrafetana lafim-panofanana ho an'ireo mpisehatra amin'ny asa tanana omaly, no notolarana mari-pahavitam-piofanana tety amin'ny foiben'ny Tranoben'ny Asa Don Bosco Ivato...
Rariny raha mankamamy ny fahafahana ary mikatsaka azy amin'ny fony tokoa ny olombelona satria ilay hasina maha-olona mihitsy no mitaky izany. Ny fahafahako dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa. Hoy ny Pape Joany Paoly faharoa hoe : miriaria anaty fahafahana tsy hita noanoa ny olombelona satria afa-mihinana amin'ny hazo rehetra ao antin'ny saha. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco