Isika tokoa dia tsy manana tanàna maharitra eto an-tany (He 13,14), fa "mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra" (Fil 3,20), "izay misy ny harenao no hisy ny fonao" (Mt 6,21). Tokam-po hitia an'Andriamanitra izy ireo ka sahy mijoro ho vavolombelon'ny Fanjakany izay hany harena tena marina. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alahady 16 janoary 2022 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

♦ Nivoaka omaly ireo tetiandro ho an'ny fanadinam-panjakàna amin'ny fanabeazana fototra amin'ity taona ity. Ny faraparan'ny volana jiona sy ny fiandohan'ny volana jolay, ny CEPE sy BEPC... ♦ Omena fiantohana ara-tsôsialy sy afaka mindram-bola any amin'ny banky sy ny fandaharan'asa fihariana manomboka izao ireo mpanao asa tanana... ♦ Misaona ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Alban Rabemananjara, kintan'ny baolina kitra fahiny, mpanafiky ny AS Sotema...

♦ Miverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka amin'ny Alatsinainy izao, hoy ny MInisteran'ny fanabeazam-pirenena. Mety hisy ny rindran-damina tsy maintsy hapetraka... ♦ Ho ampiakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra eto Madagasikara amin'ity taona ity. Ho ampitomboina maherin'ny 1.700.000 ny isan'ny mpandoa hetra hoy ny Foibe fitantanana ny hetra... ♦ Namoaka ny tetiandro ho an'ny fanadinana Bakalôrea ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...