Ny teny hoe " fampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy " dia efa nisy hatramin'ny Papa Pie XI, enti-milaza ny "antontan-tsoratra mirakitra ny fampianarana mikasika ireo loha-hevitra manan-danja eo amin'ny lafiny sôsialy (PieXI, Quadragesimo anno, 1931, n°-87).  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alarobia 16 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

♦ Hanome lanja ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, manoloana ny fivoarana momba ny nomerika ankehitriny, ny fanjakana malagasy. Isan'ny nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Mpanjifa i Madagasikara, androany... ♦ Voapoizina noho ny fanariana rano maloto tao amin'ny renirano manodidina ve no nahafaty ireo tondro tao amin'ny renirano any Taolagnaro ? Hanaovana fitsirihana teknika sy siantifika ao amin'ny Laboratoire INSTN ao Antananarivo ireo trondro maty ireo...

♦ Tsy tokony asiana fitserana intsony ny fametrahana ireo mpikambana ao anatin'ny Governemanta manaraka eo, hoy ny antoko Fitambolagnela. Ilaina hanaovana tombana koa ny Praiministra... ♦ Tokan-trano tena marefo ara-pivelomana 30.000 isa, no hisitraka tetik'asa vaovao "Mijoro-Haraton'aina an-tanàn-dehibe". Handray vola 60.000 Ariary, isaky ny roa volana mandritra ny telo taona... ♦ Manome fe-potoana 72 ora ny DREN, hamahàna ny olana tsy nandraisana "subvention" ny fivondronamben'ny mpampianatra Fram any Fitovinany. Hanao fitokonam-be ao Manakaraizy ireo ny Alakamisy izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...