♦ Tsy maintsy hajaina ireo fepetra mifanaraka amin'ny fahamailoana ara-pahasalamana amin'izao ankatoky ny fety izao, hoy ny Préfet-n'ny Pôlisy, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Maty avokoa ireo roalahy nandeha moto, nisy nitifitra tany Amboasary... ♦ Nahatratra roa amby telopolo, tao anatin'ny efa-bolana, ireo olona voasambotra sy nofonjaina noho ny fakana an-keriny tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe...

Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana  andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

♦ Mbola nohamafisin'ny Préfet-n'ny Polisy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho fiatrehana ny faran'ny taona sy ny taom-baovao, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Misy ambadika pôlitika sy fikendrehana famotehana ny fitorian'ny Solombavambahoaka iray an'i Jean Nirina Rafanomezantsoa, raha ny nambarany androany... ♦ Basy 358 no nisy nanatitra teny amin'ny tobin'ny zandary tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, vokatry ny fanentanana nataon'ny Zandarimariam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...