♦ Sekoly roa any Morondava no voatery nakatona mandritra ny 15 andro noho ny firongatry ny Covid-19. Efa mivonona amin'izay mety hisian'ny fahatapahan'ny fianarana izay ny sekoly katôlika... ♦ Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanehoan-kevitra pôlitika nataon'ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina... ♦ Nilanja sorabaventy teo anoloan'ny fitsarana kosa androany, ny fianakavian'i Nasandratra Valimbavaka, ilay zazalahy voalaza fa nodarohan'ny miaramila tetsy amin'ny BANI Ivato...

♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina ary voa-janahary ho an'ny olombelona ny fiarovana azy. Ny fanatsaharana vohoka na inona inona antony dia fanalan-jaza izany. Fandaharana iresahana ny lalàna moraly sy ny aina, miaraka amin'i P. Séraphin Rafanomezantsoa, Mpampianatra UCM Ambatoroka

♦ Mpanao gazety 27 mianadahy no nahavita ny fiofanana amin'ny fiarovan-tena eo am-panatanterahana ny asany. Nikarakara ny atrik'asa fiofanana ny UNESCO sy ny Aye-Aye Production ary ny Zandarimaria... ♦ Vita ny ampahany voalohany tamin'ny fanadihadiana momba ilay seranam-piaramanidina vaovao Ravinala Airports... ♦ Nahavitabe tamin'ny sehatr'asa fanadiovana ny tanàna ny RF2 Diotsiry ao Antananarivo. Manodina ny fako angonin'izy ireo ho lasa zezika azo ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...