Sabotsy 30 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11

♦ Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha Apollo 21, noho ny fangatahana naton'ireo mpivolovava ny olona voarohirohy, hoy ny Ministry ny Fitsarana... ♦ Tsy tokony ho latsaky ny 75.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso, ividianan'ny mpanangom-bokatra amin'ny tantsaha any Sava. Nanolotra vahaolana momba ny lavanila ny fitondranana...

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina. Ny fihetsika sy ny tenin'i Jesoa ao amin'ny Evanjely dia manambara fa sarobidy ny aina ka tokony harovana hatrany am-bohoka. Marefo ihany koa izy ka izay no nahatonga an'Andriamanitra hiaro azy. Fandaharana handalinana ny fototra ara-tSoratra Masina momba ny hasin'ny aina, iarahana amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo.

♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...