Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Baolina kitra : herinandro mialohan'ny lalao mandroso hihaonana amin'ny RDC, nambara tamin'ny fomba ôfisialy ny anaran'ireo 24 mirahalahy handrafitra ny Barea Madagasikara... ♦ Nakatoavin'ny Vaomiera mikarakara ny fifidianana ny birao vaovaon'ny holafitry ny mpanao gazety ny maha kandidà an'i Rasoloarison Monica Harifeno... ♦ Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin'ny distrika Ankazobe, Faritra Analamanga, nitaraina tamin'ny Loholona Ramanambitana Richard ny Ben'ny Tanàna...

Nasandratr'i Jesoa ianareo vehivavy. Maria Madeleine, vehivavy no vavolombelona voalohany, nialoha lalana, nahita ny fasana. Taorian'izay dia nanaraka izy 12 lahy, vehivavy manampy an'i Jesoa, hanampy ny mpianany. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Nivoaka ny tolakandro teo ny lisitri'ireo efatra amby roapolo mirahalahy handrafitra ny ekipan'ny Barean'i Madagasikara, mandritra ny fihaonana amin'ny RDC... ♦ Nahazo fankatoavana ilay kandidà tokana amin'ny fifidianana ho filohan'ny OJM. Efa fantatra ny ho vokatra ka tsy ilaina ny fifidianana, hoy Rakotonirina Gérard... ♦ Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fakana an-keriny any Ankazobe sy Tsaratanana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...