Ny votoatin'ny iraka ho an'i Maria virijiny dia ny ho : "renin'i Mesia", zanaky ny Avo indrindra. Mila manana vina-piainana isika fa Andriamanitra dia manana ny fandaminana. Mila manana fikasana tsara ny olona fa am-piarahana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny 21 septambra no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny aretina alzheimer. Tamin'ny taona 1906 no nahitan'i Dr Aloïs Alzheimer, ity aretina ity ary nampitondrainy ny anarany. Ny Aretina alzheimer dia vokatry ny fahasimban'ny sela ao amin'ny faritra maromaro ao amin'ny atidoha ary misy akony amin'ny fiasany. Ny salan-taonan'ny olona mety ho tratry ny aretina dia eo ho eo amin'ny 65 taona eo. 

♦ Andrasana ny fotoana hisokafan'ny sisin-tanin'i Madagasikara eo amin'ny zotram-piaramanidina avy any ivelany... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fitiliana ny valanaretina samihafa ataon'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Niray hina ary hiara-hampiato ny asa ny sendikan'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'i Fianaratsoa sy ny sendikan'ny SECES sampana Fianaratsoa...

♦ Nisitraka vaksiny ny Covid-19 Shinofarm 300 000 daozy avy amin'ny governemanta Sinoa i Madagasikara. Noraisina omaly tetsy Ivato ireo vaksiny ireo... ♦ Zava-dehibe ny fanampiana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fitanterana. Efa mijery vahaolana mifandraika amin'izany ny fitondram-panjakàna, hoy ny ministry ny Fitanterana ... ♦ Maherin'ny 30 taonina isan'andro ny fako mivangongo etsy amin'ny Kaominina Talatamaty, tsy araka ny fanalàna ny fako, tsy ampy ny fitaovana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...