Sabotsy 4 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5
♦ Olona ftio no matin'ny pesta aretin-tratra tany amin'ny kaominina Miandrandra Arivonimamo, araka ny vaovao navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany. Efa ampiharina any amin'ny Faritr'Itasy amin'izao ny sakana ara-pahasalamana... ♦ Hanokana vola 2 miliara sy 8 tapitrisa ariary ho an'ireo mpiasa very asa, mpikambana ao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Hisitraka vola 5 arivo sy 7 alina sy iray hetsy izy ireo, ato anatin'ny roa volana, hoy ny CNaPS...
♦ "Tranobe ho an'ny rehetra, andeha havaozintsika ny tranon'Andriamanitra", io no lohahevitry ny fahatsiarovana ny "Taonan'ny fahariana", ny 1 septambra ka hatramin'ny 4 ôktôbra 2021... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ihosy ny sary famantarana an'i Masina Maria niseho tany La Salette, nanomboka ny 28 aogositra 2021... ♦ Hotanterahana any Budapest, Hongrie, ny Kôngresy Eokaristika iraisam-pirenena, manomboka ny 5 hatramin'ny 12 septambra 2021...
Natao hitandro ny hasin'ny fiaraha-monina ny kristianina, satria izy ireo no fanasin'ny tany. Misy fitsipika mifehy ny fiainana kristianina mba hahafahana manamasin-tena.
Fandalinam-pinoana momba ny finoana kristianina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezy Antananarivo.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco