♦ Olona miisa 19 no nahitàna trangana pesta aretin-tratra tany Arivonimamo, hatramin'ny afak'omaly alatsinainy... ♦ Miverina an-tsekoly manomboka androany 01 septambra ireo mpianatra amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakàna, araka ny tetiandro napetraky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Manomboka izao, dia tsy maintsy manazava tsara ny didim-pitsarana avoakan'ny mpitsara, hoy ny ministry ny fitsaràna, raha nihaona voalohany tamin'ireo mpitsara tao Anosy omaly...
♦ Neken'ny CAF ny hijeren'ny vahoaka Malagasy ny lalao hifanandrinan'ny Barea sy ny ekipan'ny Ecureuil avy any Bénin rahampitso alakamisy, ka mpijery 10.000 isa no afaka mijery izany... ♦ Mahazo laka indray tato ho ato ny asan-dahalo ato amin'ny faritra Analamanga, isan'ny lasibatra ny eto amin'ny distrika Ambohidratrimo... ♦ Manana ny paik'ady sy drafitra matotra entina hanarenana ny seham-pitanterana anabakabaka eto Madagasikara, indrindra ny kaompania Air Madagasikara ny Ministra Tinoka Roberto...
Betsaka ny zavatra tsy fantatsika amin'ny mhaolombelona fa amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra sy fifampikasokasohana amin'ny hafa no ahafantarana an'izany. Mitana anjara toerana lehibe amin'izany ny tantaram-piainana satria mampita amin'ny mpihaino ny fomba fiatrehana ny fiainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco