♦ Hisoroka mialoha izay mety ho disadisa amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny CFM... ♦ Mitaky ny fanesorana ireo mpiara-miasa tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak'asa teo aloha ny SEMPAMA... ♦ Mampihazakazaka ny fahantrana ny fanaovana ampihi-mamba ara-toekarena. Fanehoan-kevitry ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, momba ny listr'ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila eto amintsika...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe: "Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy! Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy. Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe: "Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny, mba hampamoahina an’itý taranaka itý avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao. Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly." Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa itý taranaka itý. Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo." Raha mbola niteny izany Izy, dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro, mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe: "Loza ho anareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Loza ho anareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany." Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao." Fa hoy i Jesoa: "Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory."

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana, ka hoy ny Tompo taminy: "Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa? Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...