♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...
♦ Nahemotra amin'ny sabotsy ny lalaon'ny Barea sy Bénin miaraka amin'ny fitokànana ny kianjaben'i Mahamasina. Nilaza izany ny filoham-pirenena ny maraina teo, tesy Ivato... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fihaonan'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra amin'ireo mpandraharaha mpanafatr'entana avy any ivelany, fifampidinihana mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Tsy eken'ireo chef ZAP sasany ny fitakian'ny SEMPAMA ny hanesorana amin'ny toerany ny lehiben'ny Cisco Mananjary, nambara fa nanodikodim-bola...
♦ Vinavinaina ho afaka handray anjara amin'ny fifidianana Filoham-pirenana amin'ny taona 2023, ireo teratany Malagasy monina any Frantsa, araka ny kabarin'ny Filoham-pirenena tao Paris... ♦ Tadiavin'ny Kaominina Antananarivo alaina ny ampahany amin'ny Kianja Maki Andohatapenaka, araka ny fitarainan'ny Federasiôna Malagasin'ny baolina lavalava. Mangataka fihaonana amin'ny Filoha izy ireo, manoloana izao zava-misy izao...
Manampy hanome heviny ny fiainana ny fitantarana azy amin'ny hafa. Afaka manova ny fiheverany teo aloha mahakasika ny fiainany ny mpitantara ka manome heviny sy manome lanja ireo zava-mitranga teo amin'ny fiainana toy ny mala lesona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco