"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy". Ny fifanampiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no mampiroborobo sy mampaharitra ny fiaraha-miasa amin'ny hafa. Fianarana ho antsika ny nasehon'Andriamanitra, satria na manana ny ampy tsy taka-pesipesenina aza Izy dia mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona nohariny. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alarobia 25 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 27-32

♦ Nitondra fanazavana amin'ny antony nanesorana ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany. Nambarany fa be loatra ny fitarainana momba ny resaka kolikoly teo anivon'ity tahirim-bola ity... ♦ Tsy ho ampy handoavana ny karaman'ny mpampianatra Fram ilay filazana "zéro Ariary" amin'ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana, hoy ny federasiôn'ny mpampianatra eo anivon'ny sendika FISEMARE...

♦ Natomboka androany ny fizaràna faobe ny lay misy ody moka. Manokatra izany amin'ny fomba ôfisialy ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nitombo ireo ray aman-dreny maniry hampiana-janaka any amin'ny sekolim-panjakàna raha ny fanadihadiana natao momba ny fisoratana anarana any ami'ny EPP sy CEG... ♦ Mbola lesoka amin'ny fampiroboroboana ny fiompiana eto amintsika ny fikarohana lalam-barotra any ivelany, ny tsy fananana antontan'isan'ny biby fiompy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...