♦ Maimaim-poana ny fisoratana anarana amin'ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana, amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Fitaovam-pianarana maherin'ny iray tapitrisa kosa no hozaraina... ♦ Miandrandra ny asan'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta vaovao, amin'ny fanarenana ny fiainan'ny vahoaka Malagasy, ny antoko HARENA. Namoaka fanambarana androany, momba izany ity antoko ity...
♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...
Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa...
♦ Mila lalana mafy sy mateza ary manaraka ny fenitra isika, mba tsy hanamboatra lalana foana isan-taona, hoy ny Filoham-pirenena androany maraina, raha nijery ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, any Toamasina... ♦ Nampanantena fanafainganana fomba fiasa amin'ny fanamboarana ireo lalam-pirenena, izay tena avokavoky ny fampandrosoana ny firenena, ny Ministra vaovao misahana ny asa vaventy...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco