♦ Nitaraina ireo mpisolovava fa tsy misy antony intsony tokony hitazomana ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha famonoana karana teny Ivandry. Naverina am-ponja indray moa izy ireo... ♦ Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, manoloana ilay raharaha fisakanana ny fiara nitondra ny mpitarika ny mpanohitra, Marc Ravalomanana... ♦ Efa tafavory eto Antananarivo avokoa nanomboka omaly ireo mpilalao mandrafitra ny Barea hiatrika fampivondronana...
Talata 08 jona 2021 — Masindahy Jacques Berthieu — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin’i Kristy fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21
♦ Tsy mazava ary tsy ara-dalana ny mbola hitazonana ireo olona efatra voarohirohy tamin'ny raharahan'ilay teratany karana hita faty teny Ivandry, hoy ireo mpisolovava niaro azy ireo, androany... ♦ Mpilalao enina tamin'ireo 35 nantsoin'ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara, Eric Rabesandratana, no tsy tonga. Mbola mikasa ny hiresaka mivantana amin'i Bolida kosa ity mpanazatra ity...
Tamin’izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atý?" Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: "Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy." Ary hoy Izy taminy: "Mandehana." Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco