♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...

Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fanavotana ny olombelona i Md Jozefa. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay nolazain'Andriamanitra azy izy tamin'ny fanohanana an'i Maria amin'ny fanabeazana an'i Jesoa.

Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.

♦ Tany Antsirabe, mpiasan'ny haino aman-jery iray sy mpitandro ny filaminana telo no naratra. Nisy fahasimbana fananana iombonana sy fananan'olon-tsotra nandritra ny sakoroka nitranga tany Antsirabe alina, noho ny tsy fankasitrahan'ireo mpitokona tany an-toerana ny fampiatoana ny asa aman-draharaha any Vakinankaratra manomboka amin'ny 2 ora tolakandro, ho fifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...