♦ Mankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Salezianin'i Don Bosco, natomboka tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fanokafana ny fankalazàna omaly 14 jolay... ♦ Misasaka ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena mila miroso amin'ny tena fampandrosoana mipaka mivantana amin'ny vahoaka amin'izay ny mpitondra hoy ny solombavambahoaka Paul Rahasimanana... ♦ Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ny alatsinainy izao ny Cisco an'i Vohipeno... 

♦ Salezianin'i Don Bosco, manamarika ny faha-40 taona nahatongavana teto Madagasikara ny fikambana. Nosokafana omaly takariva tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fankalazana... ♦ Madagasikara sy La Frantsa, nohamafisin'ny ministry ny raharaham-bahiny nandritra ny lahateniny nanoloana ny masoivohon'i Frantsa teny Ivandry ny fitakian'i Malagasy ireo nosy manodidina bodoin'ny Frantsa fa azy... ♦ Nitombo 16% ny isan'ny mpiadina bakalôrea amin'ity taona ity, ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... 

Ny tontolo iainana : samy miaritra ny voka-dratsin'ny fahasimban'ny tontolo iainana izao tontolo izao ankehitriny ; anefa samy tsy manana soritr'asa mazava hamerenana izany na dia ampahany aza. Ny zava-boary dia velona tsy misy olombelona fa ity farany no tsy velona raha tsy misy zava-boary. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

♦ Nisongadina tamin'ny lahateny nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay androany, ny Nosy malagasy izay tsy mampitovy hevitra an'i Madagasikara sy i Lafrantsa... ♦ Nampiato ny hetsika nataony androany, ireo mpiasan'ny CTC-19, saingy mbola mitaky ilay tambikarama manokana izay nambaran'ny Filohan'ny Repoblika...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...