Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Izaho no mofon’ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay. Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Tamin’izany andro izany, hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny."
Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra."
Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay."
Ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo, dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny rano masina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy.
Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?"
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase."
Ary hoy izy ireo taminy: "Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny."
♦ Nampitandrina ireo mpanararaotra amin'ny fivarotana fanafody amin'izao krizy ara-pahasalamana misy izao ny Filoham-pirenena omaly, ka nanome baiko ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, hijery akaiky izany... ♦ Misy hôtely dimy lehibe ao an-drenivohitra, no efa navadika ho hôpitaly, handraisana ireo mararin'ny Coronavirus, manoloana ny fahafenoan'ireo toeram-pitsaboana, indrindra eto amin'ny Faritra Analamanga...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco