Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40
Ireo vahivavy vao avy niteraka dia mila manao mafana tsara sy harahina maso ny fahasalamany, manomboka amin'ny fotoana niterahany hatramin'ny fiverenany fadimbolana. Nandritra ny 9 volana no nitondrany vohoka ka rehefa teraka dia misy dingana maromaro hiverenan'ny tranon-jaza amin'ny laoniny...
♦ Misy olona karohana izay mampiasa vola hatrany amin'ny 3 000 000 Ariary amin'ny hetsiky ny mpianatra any Toliara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidiy ny zandarimaria... ♦ Efa miroso ny dinika amin'ny hampiasàna taxi-be amin'ny lalana Rocade Iarivo izay ho tokanana amin'ny 24 Jona ho avy izao... ♦ Ankizy 10 taona hatramin'ny 19 taona ao amin'ny Cisco 4 eto amin'ny faritra Analamanga no afaka handray anjara amin'ilay fifaninanana velan-kevitra karakarain'ny Forum de Bénévoles Analamanga sy ny Aide et Action...
Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco