♦ Nangataka fanazavana amin'ny OMS ny fitondram-panjakana malagasy, manoloana ny fanambarana nataon'ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara sy ny tsy haneken'i Eorôpa ny vakisiny Covishield... ♦ Ny 65%-n'ireo vakisiny Covishield tonga teto Madagasikara no nampiasaina, tao aorian'ny fanaovam-bakisiny faobe izay nifarana omaly, raha ny tatitry ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka...
Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Zoma 18 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23
♦ Lany daty manomboka rahampitso ireo vakisiny Covishield nampiasaina teto Madagasikara. Tsy hisy intsony aloha ny fanaovam-bakisiny faobe, efa nody niverim-potsiny ireo olona nikasa hanao izany teny amin'ny HJRA Ampefiloha, androany... ♦ Nangata-panazavana any amin'ny OMS ny fitondrana malagasy, manoloana ny vaovao navoakan'ny Masoivoho frantsay. Niteraka resa-be ny filazana fa tsy afa-miditra any Eorôpa ireo olona vita ilay vakisiny Covishield natao teto amintsika...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco