♦ Miroso amin'ny famoahana ny tahirin-kazo nahazoana alalana talohan'ny janoary 2019, ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Marihina fa nisy ny naoty navoakan'ny ministera tompon'andraikitra tamin'ny taona 2019, nanapaka ny fitandrahana tamin'izany... ♦ Ny lolo dia biby ao anatin'ny fianakaviamben'ny "pieridae", efa 90 000 000 taona no nahitana azy, misy karazana lolo 160 000 maneran-tany... ♦ 05 jona 2021 : Fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana. Ny loha-hevitra tamin'ity taona ity : Fanarenana ny rohivoahary... 

♦ Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny ministra ny fahafahana mitondra razana any amin'ny faritra. Misy ny fepetra iarahana amin'ny Polisim-pirenena ka itakiana ny fampisehoana taratasy momba izany... ♦ Nodimandry noho ny fijanonan'ny fo nahazo azy ny tale teknika nasionalin'ny Baolina kitra na ny DTN eo anivon'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina kitra Jean François Debon... ♦ 10 jona ankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny asa tanana izao. Mila fijerena manokana ny sehatry ny asa tanana izay tena miha-mihemotra hatrany hoy ny mpisehatra iray ao anatin'ny tontolon'ny asa tanana...

Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)

♦ Tsy heken'ny mponina eny Antanandrano ao Antananarivo Renivohitra ny asa fametrahana fotodrafitr'asa ataon'ny orinasa iray misahana ny fifandraisan-davitra... ♦ Voasakana teny Ambohimangakely lalam-pirenena faharoa indray omaly ny fiara nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nihamafy ny fomba nanakanan'ny zandary raha oharina tamin'ny herinandro... ♦ Valan'aretina Covid-19, miisa 28 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 366 natao afak'omaly... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...