♦ Efa mihamihena ny isan'ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19, any amin'ny Prefecture Nosibe sy Antsiranana... ♦ Ho tonga miandalana ireo karazam-baksiny hafa ho fisorohana ny covid-19 fa tsy mbola nambara ny daty hatongavan'izany... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara manomboka anio Alatsinainy 10 Mey... 

♦ Hanomboka anio alatsinainy 10 mey ny fanaovana vakisinin'ny Covid-19 eto Madagasikara. Ny 3%-n'ireo vondrona marefo na tena hatahorana aloha no hahazo izany amin'izao andiany voalohany izao, ka daozim-bakisiny 250.000 no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, hanatanterahana izany, tamin'ny sabotsy maraina teo...

Alatsinainy 10 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4

Alahady 9 mey 2021 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...