♦ Hankalazaina anio ny andro manerantany ho an'ny radio. Maharaka tsara ny fivoaran'ny fiaraha-monina ny radio, hoy ny UNESCO... ♦ Namotsipotsitra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny famotsorana an'i Herman Rakotomalala ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Nosokafan'ny Filohan'ny repoblika omaly ny tsena mora sy ny kaly tsinjo...
Sabotsy 13 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
Namotopototra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana an'i Hermann Rakotomalala tany Toliara androany ireo Fiaraha-monim-pirenena miisa sivy. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny Governoran'Atsimo Andrefana no tao ambadiky ny fitoriana ity Filoha lefitry ny KMF/CNOE ity...
Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco