Zoma 5 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29

♦ Nandiso ny vaovao nivoaka tamin'ny RFI ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany, momba ilay raharaha volamena 73,5kg. Tsy marina, hoy izy, ny fanakanako ny fitohizan'ny fanadihadiana... ♦ Hisitraka vola 50 tapitrisa dolara i Madagasikara, ao anatin'ny 5 taona, hivarotany "entona carbone", izay hotrohan'ny atiala atsinanana. Vita sonia androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany...

♦ Mitady vahaolana amin'ny tsy fahampiandrano eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, maro ireo foto-drafitrasa natao. Ny Jirama dia isan'ireo tompon'antoka amin'ny fanantanterahana ireo fanapaha-kevitra. ♦ Ny sahona mantella betsileo : mainty sy mena ny lamosiny, misy fotsy ny vavany, fotsy pentina mena ny tongony sy ny tanany. ♦ voka-pikarohana UNEM : Hampihena ny vola lany amin'ny angovo fandrehitra ho 50%, ary hanodina ny fako hampadio ny tanàna...

♦ Hisokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny teknisianina sy tsy hijery loko pôlitika amin'ny iraka tanterahany ny Antanimierandoholona amin'izao fotoana izao, hoy ny Filoha lefitra avy any avaratra, Imbiky Herilaza... ♦ Na dia mamokatra 70%-n'ny ronono eto Madagasikara aza ny any Vakinankaratra, mbola tsy afa-po amin'ny habetsahan'ny ronono tsara kalitao vokarin'ny tantsaha, ireo mpandraharaha any amin'izany faritra izany...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...