♦ Miakatra indray ny isan'ireo olona tratran'ny Coronavirus, eto Madagasikara... ♦ Manjavozavo ny fihazakazahan'ny mpitondra fanjakana, nametra fitoriana tamin'ilay raharaha volamena tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Hisitraka EPP manara-penitra telo ny ao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo...

Tamin’izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo : "Efa very saina Izy".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera ; ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba, izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra ; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

Tamin’izany andro izany: Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy. Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka fandrao dia poritin’ny olona Izy. Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe : "Ianao no zanak’Andriamanitra" ; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...